Tantaran' ny fianakaviana

Sombitsombin'ny Tantaran-drazana ho an'i Taranak'i Ramaroson sy Rahely

Ity misy lahasoratra nataon’i Andrianabo Ramaroson, nivoaka tao amin’ny revio Teny Soa faha 184 (p. 29-31), tamin’ny febroary 1886, iray volana tao aoriana ny nahafatesan-drainy. Valo ambin’ny roampolo taona izy tamin’izany.I Andrianabo Ramaroson dia zanak’i Rainimarotafika sy Ravanimboahangy. Teraka tamin’ny 4 Alohotsy, novambra 1858 izy ary maty tamin’ny taona 1913. Nanambady an’i Rahely zanak’i Ratsimandresy Rainitsararay sy Rambahinoro izy tamin’ny 13 octobra 1875. Efa nisy efatra ny zanany tamin’izy namoaka an’ity lahasoratra ity.Ity lahasoratra ity dia nataony hafantaran’ny zanany ny tantaran-drazana ary nampetrany ho an’ny taranaka ho avy rehetra.Aoka ho maritana eto fa i Rainimarotafika rain’i Andrianabo Ramaroson dia zanak’i Ramiandrasoa izay zanak’i Rahagafotsy. 

Tantaran'i Rainimarotafika, 14 Voninahitra, O.D.P. Goverinora tao Ambohimanga

Rainimarotafika, dia teraka tao Ambohimanga tamin’ny 2 Adimizana 1810 ary maty tao Ambohimanga tamin’ny Adimizana 7 janoary 1886. Andrianabo no tena anarany. Izy dia zafin-dRahagafotsy sy Ramampisava ary rainy niteraka azy dia Ramiandrasoa (reniny Razafimboahangy) izay efa nikomandy tao Ambohimanga koa taloha. Tamin’ny 1824 dia nilatsaka nianatra tao amin’ny sekoly tao Ambodin’Andohalo izy, nefa tamin’izany dia nesorin-dRahagafotsy raibeny izy fa nataony fa mbola kely loatra. Raha ren-dRadamarainy izany dia nankao an-tranon-dRahagafotsy izy ka nanao taminy hoe : “ Moa tsy tianao hitondra ny anaranao va ilehity ry “ Kaky ” no tsy avelanao hianatra fahendrena ? nefa lazaiko aminao fa ireo no hitondra ny anaranareo, hiara-mamory ity tany ity amiko, hitana ny tenin’i Iombalahibemaso manao hoe : Tsy amin’ny Hery hiany no amoriana ity tany ity fa amin’ny Fahamarinana sy ny Fahendrena koa ”.

Tamin’izany dia nanaiky ny tenin-dRadamarainy i Rahagafotsy, ka nandroso tamin’ny fianarana i Andrianabo. Koa tamin’ny 1828 dia nalefa nampianatra tany Alasora izy, dia nafindra tany Ambohimandroso indray ary nony tamin’ny 1830 dia nalain-dRainijohary ho dekany. Na dia fohy aza ny fotoana nampianarany tamin’ireo vohitra ireo dia hita fa asa natao tamim-pitiavana tokoa - lehilahy manaja tompo sy nataho-panompoana izy, ka hoy ny anatra ataony amin’ny zanany amy ny andro hiaonany aminy : “ Hajao ny anjara raharaha ary tahotra enti-manompo ”.           

Tamin’ny 1834, tany Toamasina izy tamy ny nanao “ batery ” tany : 6 Voninahitra mpanoratra amin’Avaradrano izy tamin’izany. Tamin’ny 1835, tany Mahafaly izy taminy tafika nentin-dRainiharo. Hoy ilay manamboninahitra niaraka taminy tany “ 15 000 no miaramila tamin’io tafika io, ary 5 monja ry Rainimarotafika no mpanoratra tany, ka tsy mba ohatra akory, fa tsy mandry andro aman’alina izy, noho ny habetsahan’ny raharaha ”.Tamin’ny 1836, tany Vangaindrano izy, tamin’ny tafika nentin’dRainiharo. Noho ny soa nataony tany, nony tonga izy dia nataony 7 Voninahitra. Tamin’ny 3 Adalo 1837, raha nifidy O.D.P. dia isan’ny voafidy izy, ka natao 7 Voninahitra O.D.P tamin’ny “ Voromahery ”; Mpanoratra ny raharaha rehetra tao Anati-Rova sy ho amy ny Seranana no fanompoany hatramin’izany.Tamin’ny 1838, tany amin-dRabiby izy, tamy ny tafika nentin-dRainijohary : 7 no tafika lehibe indray nivoaka tamin’io. Tamin’izany indrindra kosa dia nahazo zanaka lahy izy, ka nataony “ Imarotafika ” ny anarany ary izy dia novany ho “ Rainimarotafika ”. Nony avy tany dia natao 8 Voninahitra O.D.P izy.

Tamin’ny 1846, tany Badibasy izy, tamin’ny tafika nentin-dRainitany. Nony avy tany dia natao 9 Voninahitra O.D.P izy.Tamin’ny 1848 tany Isalo izy tamin’ny tafika nentin-dRainitavy io ihany indray. Nony avy tany dia natao 10 Voninahitra O.D.P. izy. Tao anatin’ny 1850 dia intelo izy no teny Fianarantsoa, nanao raharam-panjakana. Noho ny habetsahan’ny raharaha sarotra nianjera taminy dia narary izy tamin’izany, ka efa nalemy ny tànany havanana.Tamin’ny 1858, tany Faradofay izy tamin’ny tafika nentin-dRazafimbelo. Tamin’izany izy dia nararin’ny “ nendra ”. Noho ny fitiavany olona loatra, dia nisy dekany anankiray tsy efan’ny nendra nisisika tao aminy, ka nony norarana izy dia nanao hoe “ Tia ahy taminy andro fahasalamany izy, ka tsy ho foiko amin’ny andro faharariany ”, nefa tratry ny aretina tokoa io olona io, ka indrisy fa maty izy!.

 Tamin’ny 1859, tany Faradofay indray izy tamy ny tafika nentin-dRainilambo (Ramiandravola), nahazo tafondro varahina ny zara-diany tamin’io. Nony avy tany dia natao 11 Voninahitra O.D.P. izy. Teto an-toerana dia maro karazana ny fanompoana niankina taminy, nefa ireny rehetra ireny, tsy mba notendreny fotsiny na nialany safay, fa notanterahany tsara araka izay zakan’ny heriny sy ny sainy. Tamin’ny 14 Adijady 1862 dia natao 13 Voninahitra O.D.P izy. Androtr’io ihany indray (14 Adijady 1862) dia natao 14 Voninahitra O.D.P. sy D.P.M. izy ary dia notendrena ho Goverinora tany Ambohimanga.Tiako ho tsotra hiany ny filazana ny nataony tao Ambohimanga, fa aoka ny avy any ivelany izay mamangy an’Ambohimanga no hilaza ny hitany, indrindra aoka ny mponina no hanambara ny “ Soa ” noraisiny.

Maro loha ny fanompoana niankina taminy tao nefa araka ny hita dia voalaminy tsara, nanahirana ny ankabiazam-panompoana nefa araka ny fantatra, dia tsy nisy nifanolana, sarotra ny manao raharahan’olona nefa tsy nisy nahazahoany henatra taminy “ Tompony ”, maro be ny olona niankina tao ambany fahefany nefa tsy nisy “ Fanimba ” na “ Fikorontanana ” niseho.
Noho izany dia maro ny voka-tsoa niseho tao hatramin’ny androany, ireto no sasany amin’ireny. Nisy trano biriky niorina, nohatsaraina ny trano sasany  tao Anati-Rova, nitarina “ Ifidasiana ”, namboarina “ Nanjakana ”, nohavaozina ny trano fiambenana, niorina ny fiangonana, vokatra ny sekoly, nisy mpitsoka mozika tao an-tanàna.

Ary indray ny nataony taminy Fivavahana raha vao nihorina ny fiangonana tao Ambohimanga dia niditra izy harahin’ny olona, ka endrey ! fa tena feno hika ny trano sy ny tokotanim-piangonana. Isakin’ny Alahady tamin’ny andro fahasalamany dia matory teny indroa na intelo izy, nefa tsy ny tao an-tanàna ihany no fiangonana nahamasahany fa ny tany ivelany koa. Matetika izy no mandeha eny ambanivohitra mitety fiangonana mba hamporisika ny olona hiangona sy handatsaka ny ankizy amin’ny Sekoly. Raha misy hanao trano fiangonana na fanangonambola misy antony, ka mila azy, dia tsy mba hainy mihitsy ny mandà, afatsy ny manaiky sy manome ihany. Matetika izy raha mananatra ny zanany dia hoy izy “ Aza atao ambin-javatra ny fanompoan’Andriamanitra, ary akino aminy izay atao rehetra dia anambina anao Izy ”. Noho izy olona mazava fo sy falifaly aman’olona, dia lehilahy tia fiahavanana tamin’olona tokoa. Raha misy milaza fahoriana na fifaliana aminy, ny afaky ny tenany dia nalehany, ny tsy afany dia nanirahany ny zanany na olo-mahatoky hafa; ary na dia tsy milaza taminy aza raha reny dia tsidihany.

Maro ny fianakaviany ary betsaka ny foko itondrany nefa ireny rehetra ireny, tsy mba nekelezany soroka raha ny fanaova-tsoa no atao.Tokana izy fa tsy mba nanana mpiray tampo taminy, nefa kosa maro ny sampana avy aminy. Izay nilaozany izay, izao no taranany velona : 14 zanaka, 37 zafy, 14 zanaky ny zafy. Zavatra mahafaly azy indrindra ny mihaona amin’ireny Solofony ireny; tsy maintsy raisiny sy orohany dia tsofiny rano hoe “ hahaleo, hahalasa anie ianao, ho mamy hoditra ety an-tany, ho hatsangan’Andriamanitra ho zanaka! ”.Zay voalaza fohifohy izay ary ny teny sasany tokony hilazana ny toetran-dRainimarotafika. 62 taona no nikelezany aina hahasoa ity fanjakana ity; 65 no zanaka aman-jafy navelany handimby ny nataony, mamy hoditra tamin-kavana izy, noderain’ny Tompo notompoiny, nankasitrahany olona nentiny, nazoto niasa tao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, narisika hanoro ny mety ny solofo amandimbiny.

Tsaroan’ny “ Mpanjaka ” sy ny “ Prime Minister ” ny “ Soa ” nataony tamy ny fanjakana, ka fony finaritra izy noha jainy sy nentiny tsara; narary nanirahany Docteur hitsabo ary notsarovany tamy ny famangina; maty nampisehony voninahitra lehibe ny fampisehoana ny fandevenana azy. Naniraka “ Officiers du Palais ” O.D.P. sy dekany ny “ Prime Minister ” ary manamboninahitra ny “ Manjaka ” hitondra ny teniny, ary miaramila akotra 100 nampian’ny tao Ambohimanga hanao Raivasy sy Mozeseny dizainy roa ary tafondro 14 vava, sns.
Tamin’ny 11 janoary 1886 no naseho tamy ny vohiny ao Ambatoroaka izy, ary nony tamy ny 12 janoary amin’ny 10 famataranandro dia nalevina. Nisy nitory teny sy nivavaka tamin’izany vao nisaraka ny olona.Tamin’ireo andro roa ireo dia vory maro tokoa ny olona na ny avy lavitra na ny takaiky, koa araka ny hita dia samy “ Voton’alahelo ” avokoa izy rehetra indrindra fa ny zanany maro izay fola-kandry niankinana.

Eny! ho tahina ny fahatsiarovana ny marina.
Teny tsy mba afaka am-bavany ity na miresaka izy na mananatra, sady niriny hotanterahan’ny olona ka tiako homba ny tantarany “ Manajà ny olona rehetra, Tiavo ny rahalahy, Matahora an’Andriamanitra, Manajà ny Mpanjaka. Sambatra ny maty, izay maty eo amin’ny Tompo hatramin’izao, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy ”.  

Dikany : mpandika soratra

 Batery : manoherana fanamafisana tanàna

 O.D.P: Officier de Palais                                                                      

                            Andrianabo RAMAROSON                                                                                                               

                     In. Teny Soa n° 184. Febroary 1886, pp. 29-31           

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site