Tononkalo
Ny goaika sy ny fosa/ Le corbeau et le renard
Voasinton’ny fofon’ilay fraomazy Tery am-bavan-goaika Ingahy Rafosa ka te-hanana azy, Dia nody bonaika sy nanainga resaka tsy manavao, Tahatahaka izao :
“Tsaràva tompoko, ny andriana Ragoaika, Fatratra hianao raha hihaingo hianjaika Fa sady bikàna no mahay mitafy Ka mahafinaritra, marina mafy. Raha ny feonao no mba torak’izao Dia hianao angamba no ilay voromanga, Be mpahalala, mpanjakan’ny ala”
Faly ilay goaika raha nandre izany, Ka avy hatrany Nisanasana mba hamoaka feo; Ka teo no teo, nianjera ho azy Ilay fraomazy, Notantazan’ny fosa Mba ho azy kosa.
Dia hoy ny fiteniny feno esoeso Nataony miadana sy feo beso: “Eny, ny andriana, tsarovy hatrany Fa maro eto an-tany Ireo te-hivelona, vonon-kigoka, Ny namany foka Tia dokadoka. Koa ny vidin’izay fananarako izay Tsy be akory raha fraomazy iray”. Menatra mafy sy nangaihay Igoaika ka lasa, nivoady tam-pony Na diso aoriana, fa tsy ho azo intsony… Intsony…intsony ho mandrakizay…
Samuel Randria |
Maître Corbeau, sur un arbre perché,
Jean de la Fontaine
|
Ny jorery ny ny vitsika / La cigale et la fourmi
Tsy nanan-kohanina Na kely akory Ity jorery iray ka tsy nahasiaka, Nangovitra, fanina, Ory dia ory, Ny andro ririnina koa nangatsiaka.
Niainga Dia lasa namangy ity vitsika, Nibitsibitsika :
“Mba ampisambry Re…fa Havana ory, Na olitra izay Na lalitra iray Dia itambezoako, Tsy maintsy haloako Tsy hanabangana Rehefa avy indray Ny andro mafana Dia amin’izay”
Fa ny toetran’ny vitsika mba azo kianina Dia izy tsy tia mampitrosa, Na inona izany, indrindra ny hanina Tsy omeny, na dia be miavosa.
Ka hoy izy tamin’ity nitaraina : “Naninona indry tamin’isa-marainan’ Ny andro mafana Fotoam-piasana ? -O, tsy mba niery Fa izaho jorery Nisiaka sy nihira Hatrany an-dakira”.
-“hay ! ny olona niasa Itena niantsa Sy nivazo foana, Ary izao nony noana… Vonjeo izahay… Ka maninona moa ‘Ndeha, ramatoa, Mandihiza amin’izay !”
Samuel Randria |
La Cigale, ayant chanté
Jean de la Fontaine
|