Ny Tanantsika
Jerenareo ange ‘Ty tanantsika ity, Fa mahavita be Sy mahasoa ery. Jereo ny ankihibe, Na dia mihataka aza, Tsy mianjona fa he Manampy ireto zaza. Raha izy no tsy eo, Tsy vita izay atao; F’ireo rehetra ireo Ataony ankila-bao. Manaraka io indray, Tazano ilay fanondro ‘Zay kinga sy mahay, Tsy azo omena fondro. ‘Lay azonao lazaina Tsy misy hasohaso Fa mpiasa tsy malaina, Mpitarika ny maso. Manarakaraka io, ‘Lay zoky sady andry, Tsy tia kiliolio, Mpitarika ny zandry. Mpibaiko sy mpifehy Hiaraka mamindra, Mpanakatra ny zehy Fa lava be indrindra. ‘Ty zandriny eo akaiky No ilay manarapoana, Toa mitaraikiraiky Sy mandeha goana. |
Kanefa tadidio Fa misy anaovana azy; Mpitondra peratra io, Dia pera-mariazy. Ilay ankihikely No sisa tsy voalaza, Tsy hadino velively Fa faralahin-jaza. Jerena toa marisa, Kanefa be adidy; Mpitarika ny isa Mpanala hidihidy. Raha tafahoana kosa Ireo ka mifanampy, Tsy hisy tsy tontosa, Hikoa ny vatolampy ! Fa hainy fatratra àry Ny mampikamban-kery Mba hahalavorary Izay tsy vitan-drery. Mahazo fiasana Dia miaraka mandray Tsy misy mifanjana Satria mahay miray. Ireo no maro loha Fa tokana fanahy Tsy mampifohafoha Fanditra sy adilahy. ‘Zay te-hikambana e, Mba hahavita soa, Ny tanantsika anie Hianarany tokoa ! Jean Narivony |