-
Accueil
-
Fomba malagasy
-
Ohabolana mifandray amin'ny zava-maniry
Ohabolana mifandray amin'ny zava-maniry
- Voninkazo manitra anaty ahitra, hosihosena vao mamerovero
- Ny anana aza, mahavaly hena
- Manao azy ho katsaka , ka ladinin'ny tsaramaso
- Ny hazo avo, halan-drivotra.
- Ny Hazo tokana, tsy mba ala
- Hazo mahitsy, tsy hita tsy an’ala
- Ny fitiavana toa voninkazo; karakaraina mba tsy hilatsapelana.
- Toy ny Raozy kely tsara bika, tiana ho otazana nefa manindrona marary
- I z
- Ny olombelona toa ny embok'akondro: raha manondro lanitra, iray ihany; fa raha miondrika, samy manana ho lafiny
- oky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
- Tsy mandray ravindena toy ny viavy jejo sy kamo
- Vy mafy tsy mahafolaka zozoro.
- Mandalo dia miraikitra toy ny mpandalo
- Ny hazo matin’ny hitsiny
- Azo manao tsindry hazo lena
- Maro ny hazo, fa ny fary no mamy indrindra
- Ovy maniry, tsy tam-bato
- Ravim-boamanga nasian-tsira: manodivitra ny saoka no ela
- Ny hevitra, tera-bary: samy mamoaka izay ao am-pony
- Ny fihavanana, to any volonkotona: raha hatonina, mandositra; raha halavitina, manatona
- Aza manao toa ny fary, ka ny lohany indray no matsatso
- Vary zato, tsy enti-mandeha
- Raha indray mandeha no maty vary, aza mandevin-tsotrobe