Ny taranaka

Ny taranaka/ La descendance

Zavatra telo no nangatahin'ny Ntaolo tamin'ny Razana, dia ny vola aman-karena, ny taranaka amam-para ary ny fahasitranana raha marary.

Anisan'ny fitahiana lehibe andrasany avy amin'ny Razana raha mamadika izy ny hiteraka maro, ny hanana fara aman-dimby.

Hatraminn'y taranaka fahafito no nomeny anarana ka, araka ilay fiteny hoe: ny fitiavana tsy miakatra fa midina, dia nalainy amin'ny ratsam-batana ny anarana nomeny ny taranaka mifampiteraka hatrany hatrany:

  • ny taranaka voalohany dia nomeny anarana hoe ZANAKA
  • ny taranaka faharoa dia nomeny anarana hoe ZAFY
  • ny taranaka fahatelo dia ZAFIAFY na ZANAJAFY
  • ny taranaka fahefatra dia ZAFINDOHALIKA
  • ny taranaka fahadimy dia ZAFINKITROKELY
  • ny taranaka fahenina dia ZAFIMPALADIA
  • ny taranaka fahafito dia ZAFINDORIA

Manomboka amin'ny taranaka fahavalo dia atao hoe ZAFITSITORANA daholo.

Les anciens demandaient trois choses aux ancêtres : l'argent et la richesse, une descendance et la guerrison en cas de maladie.

Parmi les voeux attendus des ancêtres lors des famadihana est d'avoir beaucoup d'enfants et de descendants.

Ces descendants ont des noms spécifiques jusqu'à la septième génération et selon le proverbe: l'amour ne monte pas, il descend, les noms donnés aux descendants correspondent à différentes parties des membres inférieurs d'un corps. Les dénominations sont intraduisibles mais elles vont du genou jusqu'à la plante des pieds (voir plus haut)