Ny fisaoram-bady
Fahizay dia nanana fahefana tsy norefesi-mandidy tamin’ny vadiny ny lehilahy, ka nahazo « nisaotra » na « nanantona » azy, araka ny safidim-pony ; ary na dia ny mpanjaka aza dia tsy nanana fahefana nahafaka vadin’olona.
Koa rehefa nisy tian-dralelilahy ho nisaorana ny vadiny dia maniraka olona ho any amin’ny ray aman-dren-dravehivavy na izay havany solon-dray aman-dreniny sy ny mpianakaviny, izy, hitondra ny fiteniny any ; ary rehefa tonga any ireo olona ireo ka manatrika ny mpianakavy, dia manao teny fialan-tsiny aloha vao manambara ny tena teny nentiny toy izao :
- Avy izay fanambadiana tsy lavorary noho ny fanambadiana tsy nafehy fa nahandrotra, koa avy izay hisarahana noho ny teny tsy mifanaraka, koa nirahin’dRa....ho aty aminareo izahay hametraka an-dR..(ramatoa) fa hianareo no nakana azy, ka hianareo indray no ametrahana azy. Koa ny amin’ny fanambadiany sy dRa…, hoy dRa.., dia tsy misy intsony, fa efa tsy mifankavaratra sy tsy mifanaraka am-panahy. Dia manàna zara, hono, tompokovavy, na ho fotsy na ho mainty, na ho lavitra na ho akaiky, na ho atsimo na ho avaratra, na atsinana na ho andrefana ê !
Ary satria saotra na tsodrano toy izany no teny enti-mametraka vady, dia izany no nahatonga ny fiteny hoe "misao-bady". Dia mamaly kosa ireo an-kilany ka manao hoe :
- Renay izany, tompokolahy, ka dia misaotra azy sy misaotra anareo izahay, rehefa tsy mifanao an-kasomparany, tsy mifanantona fa mifametraka moramora sy mifampitsodrano toy izao. Ny misara-maty no ratsy, fa misara-belona, ka tsy maninona. Ary tsy mba ny fanambadiana tsy akory no taloha, fa ny fihavanana, ka dia tsy atao maharatsy fihavanana izany.
Anefa avy ity ny fisarahana, ka ny fehin-jazavavy sy ny fahatelon-tànana dia tsy maintsy tsahivinay, fa efa mba nikely aina sy nisasatra tany ihany ny anay; ary na dia nanotrika akoho monja aza, na tsy nanao na inona na inona aza, nefa nambinin'Andriamanitra, dia tsy azo avela izany, araka izay fomban'ny ambonin'ny tany !
Dia valian'ireto iraka izany fa hambarany any amin'ilay naniraka azy; dia manao veloma izy, ka lasa mody. Ary dia tsy misy fanampin-javatra hafa atao ivelan'izany, fa dia tapaka hentitra amin'izay ilay fanambadiana.
Lahasoratra nalaina tao amin'ny"Fomba malagasy"- Rev.WE Cousins