Ny fianakaviana

Ny teny ifampiantsoana anatin'ny fianakaviana/Dénomination des membres de la famille  

Ny fitambaran'ny ray sy ny reny ary ny zanaka no atao hoe fianakaviana.

Ny anambadian-kiterahana, hoy ny Ntaolo, ka ny zanaka no mamy indrindra amin'ny Malagasy ary antsoina hoe "sombin'ny aina". Ny zokiny indrindra amin'ny zanaka dia atao hoe "matoa", ny zandriny indrindra kosa, "fara"; ary ny eo antenatenany, na firy na firy isany, atao hoe "aivo"; koa ny zanaka lahy teraka voalohany indrindra dia atao hoe "lahimatoa" ka raha miantso na manonona azy dia atao hoe "Andriamatoa"; ny farany indrindra atao hoe "faralahy", ka raha miantso na manonona azy dia atao hoe "Andriamparany na Rafaralahy", ary ny eo anelanelan'ireo dia atao hoe "lahiaivo" avokoa na firy na firy, ka ny fiantsoana na fonononana azy dia atao hoe "Andrianaivo".

Toraka izany koa ny amin'ny zanaka vavy: ny teraka voalohany indrindra dia atao hoe "vavimatoa", ny farany indrindra atao hoe "faravavy", ny eo anelanelan'ireo rehetra ireo dia atao hoe "vaviaivo", ka raka manonona na miantso ny vavimatoa dia atao hoe "ramatoa", ny vaviaivo dia atao hoe "raivo", ny faravavy kosa dia atao hoe "rafara na rafaravavy".

La famille est constituée du père, de la mère et des enfants.

On se marie pour avoir des enfants, disent les anciens. Les enfants sont donc très précieux pour les parents et ils les appellent affectieusement "parcelle de la vie". Chaque enfant, suivant l'ordre de naissance, a une dénomination spécifique, constitué d'un suffixe particulier. L'ainé est appelé  "matoa, le plus jeune "fara" et tous les cadets du milieu "aivo". Ainsi, le fils ainé est appelé "lahimatoa" (lahy voulant dire homme) et quand on veut lui parler ou que l'on parle de lui, on dit "Andriamatoa" qui est un terme de respect envers les hommes. Le plus jeune fils sera appelé "faralahy" et quand on veut lui parler ou que l'on parle de lui, on dit "Andriamparany ou Rafalahy". Tous les cadets seront "lahiaivo" et on les appelèra "Andrianaivo".

Il en est de même des filles, en remplaçant "lahy" (homme) par "vavy" (femme). On appelera "Inenimatoa ou Inenitoa" la femme la plus âgée de la famille (Neny voulant dire Maman).

Ny hasoa sy ny hamamin'ny fianakaviana/Le bonheur et la douceur de la famille

Tsy misy izay tsy miaika fa raha misy koa toerana soa sy mamy eto an-tany, dia tsy misy ohatra ny akanin'ny fianakaviana. Raha misy manjo ny tena - na dia efa lehibe aza- dia ny havana ihany no idodododoana, indrindra fa i dada sy i neny raha mbola eo ireo, hoy ny Ntaolo, fa ny havana havana ihany. Isika izao, hoy koa izy, no velona iray trano, maty iray fasana, molo-bilany ka iray mihodidina ihany, ilailava mandry amorom-patana: zovy ity ka tsy iza fa izaho ihany.

Ny hamamin'ny fianakaviana dia azo lazaina fa avy amin'ny fitiavan'ny ray aman-dreny ny zanany. Ny Malagasy dia malaza ho tia anaka. Jereo ireo angolangolan'anarana ilazany ny zanany: sombin'ny aina, menaky ny aina, silaky ny aina, vahatra ny aina, vololon'ny aina...Nahoana no dia hasoahasoany toy izany izy ireo ? Satria ireo no handriana amorom-patana, hanala volo fotsy, ary indrindra hamelo-maso sy handimby anaran-dray soa.

Personne ne peut nier que l'endroit le plus agréable et le plus doux sur terre est au sein du foyer familial. Les anciens disaient : si un malheur nous arrive - même à l'âge adulte- nous courrons vers les membres de la famille sutout le père et la mère s'ils sont encore en vie, car la famille sera toujours la famille. Ils disaient aussi : vivants, nous sommes dans une même maison, morts, nous sommes dans un même tombeau; comme la pelote de paille sous la marmitte qu'on retourne ensemble, même allongé près du feu, regardes, c'est toujours moi.

La douceur de la famille vient de l'amour que les parents portent aux enfants. Les malgaches sont connus pour adorer leurs enfants. Regardez tous ces noms affectieux qu'ils les attribuent : parcelle de vie (sombin'ny aina), huile de la vie (menaky ny aina), morceau de la vie (silaky ny aina), abriseau de la vie (vahatry ny aina)... pourquoi les appelaient-ils ainsi ? Parce c'est sur eux que l'on compte, à qui on peut avoir confiance pour dormir tranquillement devant un âtre, c'est eux qui nous enlèveront les cheveux blancs et surtout, porteront et transmettront dignement le nom du père.

Ny fitaran'ny fianakaviana: ny tokantrano /L'agrandissement de la famille: le foyer

Rehefa lehibe ny zanaka lahy dia lasa mivoaka hanambady, ny zanaka vavy kosa avoaka hanambady, ka manorin-tokantrano hafa. Mitombo isa amin'izay ny fianakaviana: ny ray aman-drenin'ny zanaka manambady dia miantso ny vadin-janany hoe "vinanto" ary ireo kosa manao azy ireo hoe "rafozana", ny iray tamp-po amin'ny vady dia "zaodahy" ary antsoina hoe "ranaotra".

Zava-dehibe tamin'ny Ntaolo ny tokantrano sy ny fanonrenan-tokantrano satria tsapany fa ny tokantrano no fototry ny fianakaviana, nefa tsy niafina taminy koa ny hasarotan'ny fanorenan-tokantrano sy ny anjara raisin'ny vehivavy amin'ny fitondrana sy fikajakajana ny tokan-trano:

  • ny tokantrano tahaka ny landy, ka ao an-trano vao manatevina
  • ny tokantrano fihafiana
  • ny tokantrano tsy ahahaka
  • ny tokantrano tsy ary mitovy
  • ny vehivavy no tompon'ny trano

Ny vehivavy tsy mahapetraka an-trano dia nataony hoe: vehivavy fotsy varavarana; izany hoe ilaozany matetika ka mirindrin-dava ny tranony, koa fotsy ny varavarany satria tsy voakasikasika, fa tsy mba ivoahana sy idirana mandrakariva, sady tsy misy donak'afo mivoaka hanamainty molaly ny varavarana ka fotsy. Ny vehivavy toa izany dia tsy zakan'ny vadiny sady afa-baraka amin'ny tany ama-monina. Ary tsy izany ihany fa fahoriana ho an'ny zanany koa ka mahatonga ny fitenenana hoe "janga reny ka botry anaka".

Une fois grands, les fils sortent pour se marier, alors que l'on sort les filles afin qu'elles se marient et bâtir un nouveau foyer. La famille s'agrandit alors : les parents du marié ou de la mariée appelle leur gendre "vinanto" et ce dernier les appellent "rafozana". Les beaux-frères sont les "zaodahy" et ils s'appellent entre eux "ranaotra" quand ils se parlent.

Le foyer et la création d'un nouveau foyer étaient très important pour les anciens car ils sentaient que le foyer est le fondement de la famille mais ils savaient aussi les difficultés qu'il pouvait y avoir et la part de la femme dans la gestion et l'entretien du ménage :

  • le foyer est comme la soie, c'est dedans qu'il s'épaissit
  • le foyer est un refuge
  • le foyer n'est pas un modèle
  • tous les foyers ne se ressemblent pas
  • la femme est la maîtresse du foyer

Les femmes qui n'arrivent pas à rester chez elles sont appellées : femme à la porte blanche, elles quittent souvent la maison qui est toujours fermée, de ce fait la porte reste blanche car elle est rarement touchée, on ne l'ouvre pas fréquemment pour rentrer et sortir, de plus il n'y a pas de fumée qui la ternit. De telles femmes ne sont pas supportées par leur maris et donnent la honte à toute la communauté. C'est aussi un vrai malheur pour les enfants, ce qui a donné l'adage : mère libertine, enfants chétifs.

(Lahatsoratra voafantina avy amin'ny bokin'i Régis Rajemison-Raolison)