Hainteny
Lita - Hono ry Dada sy Neny,
Inona moa ny hainteny ?
Moa ohabolana izy ireny
Sa kabary lavareny ?
Dada - Ny hainteny ve lehiroa ?
Haren-tsaina, vatosoa,
Tokana, tsy ananan-droa.
Moa tsy izany, Ramatoa ?
Neny - Ny hainteny, sombinaina
Iainana, ahazoana aina.
Tsikaritra ao ombieny ombieny
Ny karazan-kilalaon-teny.
Mety hisy ohabolana ihany koa
Fandresen-dahatra io moa,
Mifono tenim-pahendrena,
Ka saro-davina, ekena.
Dada - Ny hainteny dia afon-teny
Vonon-kisendra heniheny
Koa lanjalanjao àry
Fa ny hainteny tsy kabary.
Ny Antsiva
Mamoiza
Eny ho'aho, rey vorona irony,
tsara elatra ambony fanidina ve
no mandalo tana-misy havana ?
tsara akany fialofana ve
no manadino ny morom-parihy nahatamana ?
Gaga anao aho, rakalakely,
ny ravina nihinanana aza mbola tsy nalazo,
ny sarotro niraisana mbola tsy rovitra,
ny lala_niarahana tsy tontan'ny ela,
ny horompotsy niaraha-namona
maina vao mafy fatorana,
ka izato fitia kosa iky
vao omaly ny omaly
nefa lany hanitra sahady !
Ny fo nitahiry ve no sahy nadraraka
ny kapoaka feno hamamiana omaly
ka tsy nisy tavela na fari-bodiny aza ?
Tsy zendana aho anefa,
voninkazo ny "telomiova",
tanalahy no mahay manova soratra,
ny andro ririnina no tsy mena-mivadika
ary ny fo notiavina tsy menatr'izay hanadino !
Setriny
Nahoana izato izy no tsy mahay milomano
ka no tia robodroboka,
sarotim-panina ka tia tevana,
sarotin'alahelo ka tia tsidi-pasanaary saro-piaro ka tia fivoriana ?
Ihomehezako malakolako,
fa raha ngita sao tsy voavoha;
tsy ny teninao anefa no ihomehezako,
tsy ny fanahikp tsy ampy,
fa ny valala an-danitra tsy faniry ho tsilalao
ary ny efa tsy anjara tsy atao mahabe fo.
Koa veloma madinidinika ihany, hono,
fa ny ela malazo tsy ho maitso intsony,
ny efa nihintsana tsy handravina,
ny olona mody tsy fanara-maso
ary ny efa tsy tia tsy mba fanontany.
Dolorès de Valih Ranaivoarijaona (1953)