Ilay hazo mahagaga
Angano, angano, arira, arira,
Nisy mpivady mahantra, hono, mivelona amin’ny fikapana hazo. Indray andro anefa raha nanao ny asa fikapana hazo mahazatra azy rangahy no tojo hazo hafahafa. Niteny sy nitaraina taminy ilay hazo mba tsy hokapaina. Natahotra izy tamin’ny voalohany ary nandositra. Niverina moramora ihany anefa izy avy eo niresaka tamin’ilay hazo mahagaga.
Dia nitsahatra tsy nikapa intsony hono rangahy fa nihaino ity hazo.
- Izaho no mpanjakan’ny ala, ary raha manaiky tsy hikapa ny ala intsony ianao dia homeko fanomezana mahagaga. Raiso io sahafa mahagaga io fa omeko anao ary angataho aminy ny sakafonao.
Dia lasa nody, hono, rangahy nitondra ity sahafa mahagaga ary dia namoaka sakafo tokoa izany. Dia rafitra nihinana izy mivady. Indray andro ary nilaza tamin’ny vadiny ravehivavy mba hanamboatra ilay sahafa fa ratsy tarehy loatra nefa mitondra zava-tsoa. Nentina nohalamaina tany amin’ny mpandrafitra tokoa izany, saingy natakalon’ity farany sahafa hafa.

Gaga sy talanjona anefa izy mivady rehefa tonga tany an-trano fa tsy nety nihodina intsony ilay sahafa. Ny ampitso vao maraina, hono, rangahy dia nankany an’ala ary nitaraina tamin’ilay hazo mahagaga dia nomeny ondry indray. Vola indray no omen’ity ondrilahy ity rehefa ampandihizina. Mbola tsy afa-po indray anefa ramatoa fa nitady ondrivavy mba ho namany. Tany amin’ny olona efa mpanan-karena no nalehany, saingy tsy nanaiky ity farany raha tsy ajanona any ilay ondrilahy. Najanony tokoa ilay ondry ary natakalon’ity farany indray.
Niverina tany amin’ilay hazo mahagaga indray rangahy ary kibay mahagaga indray no nomena azy. Rehefa tonga tany an-trano anefa ka nampandihizina dia nivelively azy mivady ity kibay mahagaga ity. Nalemy vokatr’izany izy mivady ary da niverina mahantra indray. Mahantra sarotra tiavina, hoy ilay hazo mahagaga.
Angano,angano, arira arira, izaho mitantara, ianareo mamaky...