Ilay fosa sy renintantely
Indray andro, hono, tao an-dohasaha
Nisy fosa tonga mba hizahazaha.
Ary dia nandalo ity tantely noana
Sady niarahaba : “zoky, manahoana?”
-Z”inona ialahy no mba manontany?
- Havana e ! Razoky, ka valio ihany !
Biby samy biby ka mifanaja !
- Iza no hanaja ? Zovy moa ialahy ?
- Izaho ve, Razoky ? Kely sady mora,
Maro fahavalo, maro mpanakora.
Nefa…- Nefanefa foana ! izay tantely !
- Ady ve no tiana ? - Avia hifamely !
Brry ! Nihelina ary ilay tantely teo…
Nefa poa toy izay, avia ange jereo !
Indro rakotra sy tototra Rafosa
Makadiry nefa resy, tonga osa;
Voan’ny tsindrontsindron-defona alikisa
Hany hery: lositra avotra aina sisa.
Lao Rafosa ! Voa ! tsy naha-te-hijery,
Lasa niafina, nisitrika, niery !
Anaka ô ! “Ny fikambanana no hery ! “
- Izaho ve, Razoky ? Kely sady mora,
Maro fahavalo, maro mpanakora.
Nefa…- Nefanefa foana ! izay tantely !
- Ady ve no tiana ? - Avia hifamely !
Brry ! Nihelina ary ilay tantely teo…
Nefa poa toy izay, avia ange jereo !
Indro rakotra sy tototra Rafosa
Makadiry nefa resy, tonga osa;
Voan’ny tsindrontsindron-defona alikisa
Hany hery: lositra avotra aina sisa.
Lao Rafosa ! Voa ! tsy naha-te-hijery,
Lasa niafina, nisitrika, niery !
Anaka ô ! “Ny fikambanana no hery ! “
.
Angano ihany izany...