Ikotofetsy sy Imahaka -Rencontre des 2 malins
Angano, angano, arira, arira, izaho mitantara, ianareo mamaky...
Ikotofetsy sy Imahakà : Tafahoana ny samy fetsy
Niainga, hono, Ikotofetsy sy Imahakà, ka Ikotofetsy mponina avy any andrefana ary Imahakà mponina avy any atsinana. Ikotofetsy moa andeha hiantsinanana ary Imahakà kosa andeha hiankandrefana, ka tafahaona teo an-dohasaha izy roa lahy dia nifampiarahaba.Imahakà nitondra angady tanimanga voahosotra manjarano, fa Ikotofetsy kosa nitondra goaika tao anaty harona. Nifanantsafa izy roa lahy hoe "inona izato entina, raondriana ?".
Dia hoy ny navalin'Imahakà "angady no entiko, 'ndeha hatakaloko akoho". fa niteny Ikotofetsy hoe " ny ahy kosa akoho 'ndeha hatakaloko engady". "Raikitra izany" hoy Imahakà, "'ndeha ary itsy izy hafanakalo"."Kanefa" hoy Ikotofetsy "aza sokafana ety an-dalana ny harona, fa akoho kaody sady tsy mifatotra, ka andao rifatra mandositra ka manahirana anao".
Fa namaly kosa Imahakà hoe "angady vao naofana izy, fa vao notsinina, ka avelao hiotrika kely aloha, fa aza malaky atombotomboka, fandrao banga". Dia samy lasa nody izy roa lahy. Rehefa samy tonga tany an-tranony avy izy dia nosokafana ny an'Imahakà ka riatra nanidina ny goaika, ary nahombo tamin'ny zarany kosa ny angadin'Ikotofotsy, ka nony natontona tamin'ny tany dia torotoro.
Dia samy vaky vava hoe izy : "Adray izany hafetsentsika roa lahy izany !". Taorian'izany dia tafahaona indray izy miaotra ka hoy Imahakà : "raha dia hisakaiza tokoa ary isika miaotra, 'ndeha kely hifampiady karajia". "Mety izany" hoy Ikotofetsy, "'ndeha ary itsy izy". "Izao ary ny zavatra mahagaga ahy" hoy Imahakà, "ka raha fantatr'ialahy ny heviny, dia ekeko fa lalin-tsaina noho izaho ialahy : mahagaga ahy ity omby mainty tokam-bolo, ka fotsy ny rononony"."Asa iky" hoy Ikotofetsy, "tsy tsy fantatro izay mahatonga izany; fa izao kosa no mba mahagaga ahy, ha raha fantatr'ialahy ny fotony, dia lalin-tsaina noho izaho ialahy : mahagaga ahy ity omby sy ondry, samy vilonaihany no haniny, ka ni iray lava marotsaka ny rambony, ary ny iray kosa be hogaka"."Asa lahy !" hoy ny navalin'Imahakà, tsy fantatro izay mahatonga izany". Dia samy nikoy izy roa lahy ka nanao hoe : mitovy saranga isika miaotra izany, ka 'ndeha hifankatia tsara".
Dia nanao nahandro tsara izy hirahan-komana, hampiseho ny fifankatiavany, ka raha vao nihinana dia nifampiera hoe " 'ndeha isika roa lahy samy hatory aloha, ka izay tsara nofy no aoka hihinana io hanina io".
Dia lasa nandry aloha izy roa lahy. Ary nony avy nifoha izy dia niteny Imahakà hoe "nofiko niakatra tany na-danitra aho ka nahita zavatra nahafinaritra sy nahasondriana ahy tokoa. Ka mba lazao hoe izay nofin'ialahy tsara noho izany ?". Fa hoy ny navalin'Ikotofetsy : "nofiko nahita an'ialahy niakatra nankany an-danitra aho, ka sondriana tany, hono, ialahy, ka nifoha 'ndeha hihinana ny hanina aho, fa hoy izaho anakampo : efa sondriana any izay ilehiny ka tsy hety hidina aty intsony, kanjo hay ialahy ity eto ihany indray ! ka 'ndeha itsy izy hiara-komana ny hanina".
Dia samy tsipaky ny hehy izy roa lahy ka niara-nihinana.