Concours de récitation

Comme chaque année, nous organisons un concours pour les enfants de moins de 15 ans, à l'occasion de notre sortie familiale. Cette année, ce sera une récitation en malgache à choisir parmi les  suivantes :

N°1. Paiso

Tafatsiry indray ny maitso
Eto an-tokontaninay
Rako-pelana ny paiso
Mavokely rano iray

Tafafoha maraina aho
Hifoka izato rivo-manitra
Eny an’elanelan-taho
Manga ery ny volon-danitra

Eny ambony rantsan-kazo
Indreny vorona mivazo
Am-panaovana ny akany

Toa hisy azy fatratra
Ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any !

http://www.pluct.fr/images/fondecran/fond_prin/pecher_800.jpg

http://cyberechos.creteil.iufm.fr/cyber15/Lire/Cedric/parents.jpeg


N° 2. I dada sy neny


I dada sy neny malalako izay
Dia fola-damosina ery taminay
I neny nitaiza nibaby nanasa
I dada isan'andro torovana miasa

Mba inona kosa no avaliko ireny
Fitiavan-tsy ritra an'i dada sy neny
Manaraka tsara ny anatra omeny
Mivavaka ho azy ny valim-babeny

N°3. Misaotra!


Raha misy manome
Zava-tsoa ho anao
Kingà miteny hoe:
« Misaotra tompoko! »
Ny akoho misotro rano
Na be na kely ny ao
Avia anie tazano
Diniho sy jereo

http://i233.photobucket.com/albums/ee219/Supertornade/Merci.gif

http://sphotos.ak.fbcdn.net/hphotos-ak-ash1/hs494.ash1/27001_1238297357143_1220548673_30611020_3772887_n.jpg

4. Zazakely


Izaho anie dia zazakely
Tsotra sady marina
Tia ronono sy tantely
Sy paperimanitra e,
Omeo ange, omeo ange
Raha tsy ataoko tapitra e

Tous les participants seront récompensés comme d'habitude et un joli cadeau pour le premier.

Inscription obligatoire avant le 15 mai.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site