Hatsikana 5

 Niaraka hono  ireto mpivady, dia nanontany ilay ramatoa:
M: rehefa maty ve aho dia mbola hanambady ianao?
R :  tsy fantatro !
M : hanambady ve hoa ianao?
R : Ao aza fa hanambady aho raha izay no tianao e!
M : Dia homenao azy ve ny fiarako, ny firavako, ny akanjoko?
R : Koa izy tsy mahay mitondra fiara koa !
M : grrrrrrrrrrrrr

Nisy test natao hono tao amin'ny hopitaly fitsaboana adala iray ! nasian'ireo Dokotera sarina varavarana ny rindrina dia natao tao amin'io efitra io daholo ny adala atao test:

Kanjo inona, fa nidofotra teo daholo ny lohan'izy rehetra satria tena noheverin'izy ireo ho varavarana tokoa ary ilay sary!

Akory anefa ny hagagan'i Dokotera raha nahita anankiray tsy nanao izany ka noheveriny fa tena matotra sy efa sitrana mihitsy ka nanontaniany:
Dokotera: fa maninona ianao no nijanona fa tsy nandeha toy ireo namanao?
Adala: ka satria mbola aty amiko ange Dokotera ny lakilen'io varavarana io e! lol
Nisy lehilahy iray avy natao grefy ny sofiny roa. Nijery ny dokoterany izy herinandro vitsivitsy avy eo. Manontany ilay dokotera:
- ka mety tsara ve, mandre tsara ve ianao ?
- ie, hoy ilay marary, fa misy zavatra tiako anontaniana anao. Tsy sofim-behivavy ve no nataonao tamiko ?
- fa ahoana hoy ny dokotera ?
- satria mandre zavatra betsaka aho, fa saingy tsy misy mazava amiko izay voalaza !

 

 Nisy vehivavy niteraka kambana kanefa dia tsy mitsahatra migogogogo izy. Dia nanontany ilay infirmière :
- Fa maninona ianao no mitomany be toy izao kanefa nahazo kambana tsara tarehy sy matanjaka tsara ?
- fantatro izany hoy ilay vehivavy, sainga tsy fantatro iza ny rain'ilay faharoa

Hoy ity bandy iray tamin'ny sipany:
"tongava anio alina fa tsy misy olona ao an-trano".
Nony alina ny andro, tonga tany ilay sipa ... tsy nisy olona tokoa tao an-trano

heros.jpg

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site