Hatsikana 4

Hatsikana

Tratran'i Koto nangalatra toaka iray vera tao andakozia ny rainy. Sadaikatra ingahy ka tapa-kevitra fa hiresaka amin' i Koto.

Naka vera roa Ingahy, ny iray misy rano, ny iray misy toaka. Naka kakana velona roa tao atokotany koa Ingahy, ny kakana iray anaty vera misy rano, ny kakana faharoa anaty vera misy toaka. Niandry andiny iray. Inona no hita ? Maty ilay kakana nilona tao anaty toaka, ay mbola velona ny kakana milona rano. Inona ny lesona azonla ry Koto ? hoy Ingahy

Koto : Aleo misotro toaka toy izay misotro rano, amin'izay tsy misy kakana intsony.

Nody tany amin’ny paradisa hono i Jesosy fa tezitra be tamin’ny olombelona. De nahita lahiantitra izy teo anjorontrano, manjoretra be sady malomalok'endrika.

Dia nanantona Izy : Fa inona no mampanjoretra be anao toa io? Enao anie aty amin’ny Paradisa e.

De hoy ilay rabainina hoe, misy zanako izay noheveriko fa efa aty amin’ny paradisa de tadiaviko nefa tsy hitako dia malahelo be an’azy aho.

De nanontany indray i Jesosy hoe fa inona moa no asanao teny ambonin’ny tany raha tsy mahadiso?
"Mpanjafitra, fa ahoana" hoy rabaininy

De falifaly be I Jesosy sady nihoraka be nanao hoe: "Joseph mon père, marina"

De hoy rabainina, nihoraka be koa sady falifaly be nanao hoe:"Pinocchio mon fils, marina".

http://cocodesiles.unblog.fr/files/2009/03/yz1yy5iv.gif

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site