Hatsikana 1

 

Nisy sinoa sy gasy nifankahita hono teo Behoririka, dia niresaka izy ireo:
- Hono hoa ry Chan firy taona moa ianao zao no nipetraka teto Madagasikara?
- Enfa dimy taonla!
- Hay! efa mahay miteny gasy sy mahafantatra an'i Madagascar tsara zany??
- ilé!
- Mahafantatra karazana tongolo firy ary ianao zao eto?
- Mahafantata karazanly 5
- Inona avy zany?
- Tongolo oignon, tongolo lay, tongolo maintso, tongolo gasy.....dé tongolo batita!
Ririnina tokoa ny andro ka mangatsiaka ary vokatr'izany dia te hipipi foana ity boaikely atao hoe Botsy.
Nande nivoaka ny trano ary i Botsy nentin-dreniny tany analakely,isaky ny 15 min dia miteny foana izy fa te hipipi ka dia nasain-dreniny... nanao teny amin'ny sisin-dalàna.

Leo anefa ny reniny farany ka hoy izy: « tsy mety tsony anaka ny mipipi ety antsisindalana ety fa bedin'ny polisy ety ntsika mianaka ». Nataotra i Botsy ka isaky ny te hipipi izy dia eretany eny foana.

Tonga teo Soarano izy mianaka ka nahita zazavavy kely nanao ny nataony teo ambody poteau i Botsy ka niteny tamin'ny reniny
- Neny a ,io misy ankizivavy mipipi fa aleo oe jereko eny
- reniny: aza makeny enao anaka fa bedin’ny polisy nge enao e
- za nge tsy hipipi fa hijery fotsiny ê, sady nanantona an’ilay zazavavy nipipi ihany izy ka nandinika azy teo mandra pahavitan'ny nataon'ilay zazavavy kely.
- Botsy: neny â, neny ,io ankizivavy kely io zany zao efa bedin'ny polisy ô?
- reniny: fa inona no mahatonga anao iteny an’izany
- Botsy: ka efa notapahan'ny polisy nenazy kou
- reniny:!!!!!!!????????????
   

 

Nanambady vao tsy ela ity ranamana iray miresaka amin'ny namany
- loza leitsy ity fahazarana ity, taorian'ilay nuit de noces leity, entim-pahazarana, dia nasiako vola teo amin'ny table de nuit â!
- oay leity e! Tena afa-baraka, dia ahoana hoy ny vadin'ialahy nony hitany ilay izy?
- namerenany leity a!


Indray hariva eo amorom-patana teo am-pijerevana vaovao an-tsary tamin'ny tele:
- lehilahy : lalina iz'ty ramatoa!
- ravehivavy : enjana iz'ty rangaha!

(PS: aza alefa lavitra ny fisainana hoa, fa mijery ireo vaovao mivoaka amin'ny tele no mahatonga ny resaka!)

Dia nifankahita tany anaty bar indray ny namantsika sinoa sy gasy dia niresaka izy ireo :
Hono hoa ry Chan firy taona marina moa ianao zao no nipetraka teto Madagasikara?
- Enfa dimy taonla!
- Hay ! efa mahay miteny gasy tsara kosa zany ??
- ilé!
- Mahafantatra karazana punch firy ary ianao zao eto?
- Malomalo ihany
- Inona avy ohatra?
- puncha coco, puncha vanille, puncha ananas, ... puncha te pipi

 

http://endjetsesfolies.e.n.pic.centerblog.net/dprqho2t.gif

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site